Meteza ianao Sakaiza (Rangotra Voavitrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Meteza ianao sakaiza

Raha trano be mirenty...
Mafy fototra amim-bato
Tsy hitahita refy ...
Toa midadasika sy kanto,
Kanefa ny mba vato fanorenany
Dia alahelon'olombelona,
Sanatria madio ivelany
Toy ny fasana ilevenana
No itadiavanao fiadanana eto an-tany
Dia zava-poana ihany.

Ka saino re sakaiza!
...sa hoentinao mankaiza?

Raha toa fitiavam-boninahitra...
No hamonoana ny ain'olona
Ka ranomason'olon-kafa
No fialanao hetaheta...
Dia ianao ilay ahitra amim-bozaka
Hihinana amam-bolony
Ny pozina notehirizina an-trano...

Sanatria ve ianao sakaiza
...tsy mba nanana mpitaiza?

Ny vola aman-karena
Dia afobe mandoro
Raha toa fitiavan-tena
No mba fototra fijoro.
Ka meteza ianao sakaiza
Meteza ianao sakaiza!
"handala fahamarinana."

Rangotra
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1115 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0407