Etsy kely anie e! ((2.8.4.6.3.8.8.3))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy kely re ry namako, teny kely no mba hafatro
Teny kely tsy misorona,saingy inoako hampiorina
F\'arakao handray azy, teny ihany fa azafady
Teny toy ny teny rehetra , raha diso hahay mametra.

Aza atao ho fahasiahana, na koa lolom-po mibahana;
fa ainga,ratra anaty any no havoitra hivoaka eto.
Aza atao ho fanakianana na hevi-jamba no narahina,
fa tranga-javatra tsy tanty no nahatonga ahy niventso.

Tsy ho lava resaka aho fa hambarako anao ny anton-tsoratro eto anio.
Fanontaniana no apetrako : mba nankaiza loatra lahy ny môralin\'olona ankehitrio?
Moa va mbola misy ihany olom-pahendrena iray,
afaka hitompo teny fa tena mbola misy ireny?

Raha ny fahitako azy, efa ela io no foana.
Vola no nanolo azy f\'ireo izay marina nimaona.
Izay manana ihany no mijoro tsy mikoro,
namingavinga manodidina, lasa tompon\'ny tontolo.

Fa raha nanam-bola izy na tsy tamin\'ny mendrika aza,
afaka maneho ny heviny, indro olo-manan-kaja.
Dia nahavidy saim-bahoaka, manodikodim-pahamarinana,
fa ny tsy mba nisy setriny dia nanjaham-pahanginana.

Na inona fitaovan-dratsy nahazoany izay niriany,
tsy nampisalasala azy hanaporofo ny fisiany:
rehefa tratrany ny tanjony, dia ny vola-vola ihany.
Ilay tsy mba nisy hoporofoina,novolaina ho ambany!

Asa lahy raha mba fantany fa tsy levina ny rariny.
Asa koa raha mba hainy fa boribory anie \'ty taniny.
Aoka izy hihevi-tena fa mahantra ao anatiny
Satria very fahendrena sy nogejain\'ny toetra ratsiny !

Fa raha io harena io, tsy hitondra ho mankaiza:
hanim-pito loha anio, fa raha maty mba ho aiza?
Mbola ho any andro iray, hohandrainy izay nitsahiny
Any ankoatra rahatrizay hihondrehan\'ny fanahiny !


Dia hovozonany ny vitany, ho porofom-pahantrana
fa tamin\'ny fiainan-tany manko dia nisetrasetra hatrany.
Indrisy raha mba mety manko ny hamadika ny rasa...
Etsy kely anie e! ry fiaraha-monina ô!
Tsy hoe be revin-gadra na koa faly ny hanatsafa,
fa mba misy hetaheta irariana ho tafita:
Tsy aleo haverina indray ny môralim-pihavanantsika?!
--------
Rohy:
2026 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : (2.8.4.6.3.8.8.3)
Nampiditra : miranda
Daty : 14/09/2005 06:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139