Ny fisianao - (2.8.4.6.3.8.8.3)
Azo vakiana?
Fony mbola kely aho, mamy ery izato fiainako
Tsy mba niasa saina akory, tambin-dray no hany niainako.
Dia nandeha izato taona, sara-dray, sara-pitiavana
Nangirifiry ery ny niaina, sara-toerana, sara-namana.
Saingy natao akory moa, tsy maintsy niatrika ny sedra.
Lavitra ilay ray niteraka, lavitra rendrarendra.
Saingy tao anatin'izany no nahitako anao malalako.
Ianao izay nanalavitra ahy tamin'ny alahelon-tavako .
Ny tambitambinao malala no nanasitrana ny ratra nampitraka.
Irony vavakao ombieny ho ahy nanampy ho hery nampitraka.
Ny tanana natolotrao, fihetsikao tsy ho hadinoiko
Koa manomboka izao , tsy misy sedra tsy ho tolomiko.
Sambatra aho manana anao eo anilako malalako.
Raha ny ato am-poko indray, hitia anao araka izay tratrako .
Tsy hifanadino isika, fa raha izaho dia efa anao,
Fa fanomezan'Andriamanitra tamin'ny fiainako ianao !
Mombamomba
Mpanoratra : (2.8.4.6.3.8.8.3)
Nampiditra : mirandaDaty : 06/09/2005
Mpamangy : 1881
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
raozy mavokelyAnjely
Tazy
Tazy
Ny fisianao
Etsy kely anie e!