Fianarana = Fiafiana - A.N.T.L
" Fianarana = Fiafiana "
Io fianarana io aloha
No atao voalohan-daharana
Satria voalaza fa mahasoa
Ny fandehanana am-pianarana
Dia mazoto miari-tory
Mamerin-desona isan'andro
Indrindra ilay miditra an-tsekoly
Na maraina na atoandro
Tsy dia ilaina fitafiana
Na kiraro vaovao be
Ka na dia eo ny fiafiana
Ny ahaizana no zava-dehibe
Miafy koa satria
Mba te ho tafita
Mandany ny herim-po
Ho lasa lavitra any ampita
Saingy ilaina fikirizana
Sy fiafiana lalina
Tsy ilaina herin-tsandry
Fa ny saina no mandalina
Dia ny saiko tsy mba reraka
Raha fianarana no resaka
Dia ny saiko tsy mba ketraka
Izay no tarigetrako
mpanoratra : Andriatiana Tsanta Niaina Luc
Hevitra mandeha
azteca (03/05/2019 10:38:23)
Mombamomba
Mpanoratra : A.N.T.L

Nampiditra : A.T.N.L
Daty : 03/05/2019
Mpamangy : 896
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
« Ry fahantrana »« ANY MANTSY IZAY I DADA »
« DADA SY NENY »