Lainga (Abel Andriarimalala)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireny voady natao ireny
Dia teny.
Teny ihany, ka tsy ho ela
Dia ho tavela.
Ka ny hany mba hiangana,
Hitsangana
Dia fanaovam-bazivazy
No sisa hahatsiarovana azy.

Mahatalanjona ahy anefa
Fa efa
Fantatry ny saiko
Sy haiko
Ny maha-lainga ireny teni-
nao ireny,
Kanefa kosa re nahoana
No mbola iniako inoana foana ?


Tsy maninona ! Lazao
Izay teny mamy fantatrao
Fa handrotsirotsy ahy.
Na ho lainga aza izany,
Mitenena amiko ihany :
Fantatro aho fa hanahy.

Raha ho avy ny fetr’andro
Ka hirodana avokoa
Izay najoronao nandainga,
Lainga hafa no hanamando
Sy hampionona ‘lay fo
Nopotehinao toa bainga !


Abel ANDRIARIMALALA
--------
Rohy:
906 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Abel Andriarimalala
Nampiditra : hery
Daty : 29/03/2021 17:50
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094