AZA AVELA HO VERY FOANA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA AVELA HO VERY FOANA…
1.Mpiavahiny tokoa moa raha isika no ety;
Mandalo ka miserana tsy misy ny haharitra;
Tsy mba natao hanana fa mpindrana fitia.
Voafetra raha ny taona sy izay mba mahafinaritra.

2.Ny lalana rehetra dia misy sampanana
Tsy maintsy handaozantsika ireo izay niteraka
Ny vady aman-janaka mbola hisarahana.
Na salama na farofy, na mirija koa na reraka.

3.Tsy misy mahatana raha izay no voalahatra;
Tsy voatery ho marary na hisy antony hafa.
Na matanjaka be aza tsy afa-mamahatra;
Tsy misy na iray hoe hitsoaka any an-kafa

4.Raha mbola velona ihany ka ny andronao mitohy;
Aza dia variana loatra amin’ny fianana an-tany;
Ny asa soa ilofosy mba ho maro sy ho rohy,
Ho hazavana hifikirana rehefa any an-danitra any.

5.Ny taon-dasa efa votsotra nanaovana tsy mety;
Dieny mbola azo arenina, araraoty ny fotoana.
Ny fah’fatesan- tsy iomanana hita tonga vetivety.
Ny anjara ora isan’andro aza avela ho very foana.

Abou Nusrayni,
13_05_20
--------
Rohy:
720 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014