Ho Barea Gasy zato isan-jato (AbouNusrayni)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho Barea Gasy zato isan-jato

Raha fahiny tsy nahovoka ny Barea
Tsy dia nahagaga fa ratsy sakafo
Rehefa hita fa tena tsy ho afa-bela
Nampidiran’ny vazaha mpamelona afo.

Koa rah’ ankehitriny isika mirehareha
Hoe mandresy hatrany ary toa tsy miato
Ireo taizam-bazaha no tena nampandeha.
Dia ireo voaofana tany dilam-bato.

Andraindraina fa ireo tanin-ketsa
Ho voakarakara amin’izay ato ho ato
Ireo fifanintsanana ho avy ho voafetra
Hoe vita Gasy tena zato isan-jato.

Enga anie ka amin’ny fetim-pirenena
Hampirantiana hatrany anaty matso
Ireo zanatany novolaina, novolena
Mba ho rehareha hibitahana imaso.

Abou Nusrayni,
07 Jolay 2019
--------
Rohy:
957 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114