Ho Barea Gasy zato isan-jato - AbouNusrayni
Ho Barea Gasy zato isan-jato
Raha fahiny tsy nahovoka ny Barea
Tsy dia nahagaga fa ratsy sakafo
Rehefa hita fa tena tsy ho afa-bela
Nampidiran’ny vazaha mpamelona afo.
Koa rah’ ankehitriny isika mirehareha
Hoe mandresy hatrany ary toa tsy miato
Ireo taizam-bazaha no tena nampandeha.
Dia ireo voaofana tany dilam-bato.
Andraindraina fa ireo tanin-ketsa
Ho voakarakara amin’izay ato ho ato
Ireo fifanintsanana ho avy ho voafetra
Hoe vita Gasy tena zato isan-jato.
Enga anie ka amin’ny fetim-pirenena
Hampirantiana hatrany anaty matso
Ireo zanatany novolaina, novolena
Mba ho rehareha hibitahana imaso.
Abou Nusrayni,
07 Jolay 2019
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : AbouNusrayni

Nampiditra : AbouNusrayni
Daty : 09/07/2019
Mpamangy : 502
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Varilavo Alahady…AZA AVELA HO VERY FOANA…
Le véritable sens du Ramadan
TSY MILA ANTRA I AFRIKA
TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO!
MIJANONA AO AN-TRANO
POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA…
NY LAFY TSARANY…
KODITRA19
SOA FAGNAHY...