IANAO SY NY VATA FAHITA LAVITRA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO SY NY VATA FAHITA LAVITRA…

Inty misy endri-javatra fanoharana kely
Nomen'ilay mpanabe mahavariana ahy indrindra***(Pr Trq)
Isika olombelona hoy izy tia miafina sy miery
Dia mihevitry ny tsy misy hahita na dia ratsy famindra.

Ny televiziona indraindray mandefa zava-tsy mamely;
Dia mijery eo ihany isika, variana, midororo …
Hadinontsika fa ny Tompo tsy alavitra velively
Efa fantatra izao fa tsy hoe mbola mila atoro.

Matetika io tranga io rehefa isika iny irery
Ka misy miditra tampoka ao an'efitrano ao
Ovaina haingana ilay canal satria voatery
Na koa tsy mahita ho raisina ka mody milalao.

Dia ny hena-maso olona no lasa toa ambony
Ka raha i Dada na i Neny no mitsidika anao tampoka
Dia mamorona hatao ary ny saina toa tsy tony
Hoe raha tratra teo moa dia nataony tena miantoka.

Ny Tompo izay akaiky mihoatr'i Dada sy i Neny
Toa tsy ananan-kenatra amin'ny karazam-pahotana
Rehefa mby hanatrika azy hisy be ny tsy hahateny
Amin'ny andro fitsarana tsy hisy intsony fialàna.

Abou Nusrayini
Folo Sivy Amby Mey
Roa ARivo Folo Valo Amby
--------
Rohy:
566 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104