ILAY FAHIRATANA… MANIMBA! (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FAHIRATANA… MANIMBA!
(tohin’ireo hevitra manodidina ny tsy fahafahana manorina tokantrano)

Efa hatrany amin'ny Adama no niantomboka ny fitaka;
Hoe dikao ilay lalàna raha ianao mba te hahiratra;
Izay ilay fitadiavana lazaina fa maniraka;
Tena fositra manimba ny fitiavana manitatra.

Ny mpamorona fitaovana dia mahalala tsara;
Satria izy nanamboatra ary koa nikarakara;
Hoe ireto sy izao mila tandremana ao afara;
Fa rah' ts' izany ilay fitaovana ho potika hizara.

Mba toa izany koa isika hoy Ilay Tokana Nahary;
Misy toromarika nomeny ho an-dry bavy sy ireo tary.
Izay mivoana amin'ireo tsy oviana mba hanjary;
Ireo mpikomy izay mijaly d’efa hita m’harihary!

Ny fivadiana tany aloha no nateza sy naharitra;
Satria tsy mba nisipa na nifampitaritarika;
Mandra-pahafaty, mifankatia sy finaritra;
Nef'efa hatao raharaha vao tena hoe mba nifanatrika.

Ntaolo be izany fomba hoy ny maro ankehitriny;
F'efa malalaka ny ankizy hisafidy izay mba tiany;
Firy anefa ny hitanao tena nahazo izay niriany?
Sady be misarasaraka tsy toa ny fahiny?

Hiseho ho be saina sy mahiratra ihany aloh' nareo?
Dia hanome tsiny ny anjara sy ny lahatra avy eo?
Rehefa vizana sy tofoka ka tena efa leo;
Izay ve vao handin-tena ny amin’izay nahazo teo?

R'hefa ny manao izay tiana no ato hoe fahalalahana,
Ka ny fiseho sy ny laza no manjaka sy mibahana;
R'hefa izay lazain'ny olona no indro omena vahana,
Tsy mahagaga raha dia betsak’ireo mikoroso fahana.


Abou Nusrayni
17_09_19
--------
Rohy:
957 1
Mpakafy: MyhAndry
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156