KODITRA19 (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KODITRA19

1.Tsapa ankehitriny ary hita miharihary
Fa isika olombelona marefo avokoa
R’hefa tojo ady sarotra mahatsiaro ilay Nahary
Ny fiantsoana vonjy aminy indro tsy afaka ao am-po..

2.Lasa miasa saina mila tsy hahalany vary.
Mandinika ny ampitso sy ny hiafarana koa.
Raha izao ve no mitohy hisy zavatra hanjary.
Afaka hihidy trano mandra-pahoviana moa?

3.Izay tsy ampy ambim-bava sy mba tsy afaka nihary.
R’hefa lany vatsy…ka mihinanana sosoa.
R’hefa ts’ misy ny fangarony na laoka na lasary.
Rehefa tena maina kiana, eny, hatramin’ny ron-doha.

4.Ny sisa antenaina dia ny tsy mba harary
Fa raha toa ka miampy izany dia ho vizana tokoa.
Ianao izay mbola manana sy misy ho atao bazary.
Misaora ianao ny Tompo,… aza kivy,… mijoroa.

5.Raha mivoaka velona eto, aoka hiomana hanajary,
Ka hifofotra hitady na dia hanao asa ankiroa.
Aza adino koa anefa ny manompo an’Janahary
Mba ho tojo fiadanana… raha voaantso mialoha.

Abou Nusrayni
25_03_20
--------
Rohy:
896 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161