MAHERY NY FETY… 1.Fina (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHERY NY FETY…
1.Finaritra ny maro fa nahatratra ny andro fety.
Manantena fa hifarana ireo zava-nanahirana.
Somebiseby ny manomana izay mba metimety.
Mifampirary ny ho tsara sy hahita ny mangirana.

2.Raha zohina ireo fihetsika sy fomba amam-panao;
Misy lafin-java-maro manahirana ihany;
Ny tena mahazo vahana d’izao tontolo izao.
Ny resaka finoana nakisaka any ho any.

3.NAREO NAMAKO MITADY NY HANOHITRA BONTOLO;
HOE TSY ILAINA NY MIFETY FA TSY FOMBANTSIKA IO.
SOKAFY ALOHA NY SAINA KA DINIHO NY TONTOLO;
MOA METY MBA HAHOMBY N’ VATRAVATRANAO ANIO?

4.Ny atidohan’olombelona tsy tahirin-telefaona,
Ka ho azonao fafaina izay tsy tianao ao.
Izay voarakitra ao an-tsaina tsy oviana mba ho foana.
FITAIZANA MIANDALANA NO METY HANAVAO.

5.Manandrama ange! Ny rivotra mba tsofy mafy be.
Tsy hampihontsona azy akory fa ianao no hiala maina.
NY FANABEAZAN’NY TONTOLO TENA HAINGANA FANDEHA;
Tsy voafafa mora foana izay aletiny ao an-tsaina.

6.Ny zava-nahazatra dia sarotra ialana;
Indrindra ireo fomba nahafaly hatr’izay.
Na dia ho lazaina fa voararan’ny lalàna;
Tsy hialana vetivety na dia hahavoa kibay.

7. KA INONA NO HATAO ARY INONA NO PAIKA,
IZAHO ALOHA MITENY F’AZA MORA TAITAITRA.
MISY ASA MILA ATAO NA DIA MODY TSY MIRAIKA ;
NY FANDRARANA MANTA TSY OVIANA MBA HANDAITRA.

8. KA NY MPINO NAMANAO KOA ANGE KA MBOLA BADO E !
NAMPIANARINAO TSARA ANGAHA IZY NO TSARAINA?
NY FINOANA IZAY ARAHINY AZA TSY VOAFEHINY E!
TSIANJERY NO MBA HAINY FA TSY HAINY HAZAVAINA.

9. TSARA NY MANORO IZAY FOMBA SY TSY FOMBA;
SAINGY MILA ATAO MIANDALANA FA TSY HOE BODONGERONA.
TSY IZAY REHETRA MBA SOLAFAK’ IVELESANAO APONGA;
RAHA HENDRY MAMPIANARA F’AZA MAIKA NY HITRERONA.

10.Ka Mahery hoy aho ny fety ary iarahana mahita.
Izay rehetra mibirioka andao taizana ny hiverina.
Aman-taonany mitaiza anefa vao mahatafita.
K’izay mbola tsy voaova dia tsy maintsy mba leferina.

Zoky Habib, 23_12_19
--------
Rohy:
594 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177