MATORY LOATRA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MATORY LOATRA…

Indray andro aho tara, tany anaty fiaram-bahoaka
Nandalo ny kianjan’i Maki, manoloana ny vavahady
Efa am-periny ny fivavahana, izaho mbola tsy tafavoaka
Ry zareo efa miara-mirohotra miankohoka sahady

Dia nisy nanaitra ny tao anaty fiara tamin’ny feo avo
Jerenareo ange ny silamo fa miara-mitsingoloka daholo
Fa naninona ireo? hoy ny ramatoa iray tsy nahazo
Mivavaka e! Hoy ilay rangahy, namaly azy toa bontolo.

Dia ontsa teo koa ny foko, ny saiko vakavaka lalina
Fa hay tokoa moa ilay finoako, mbola vitsy mpahalala
Mbola maizina amin’ny maro toy ny kitroky ny alina
Satria ny mpino matory loatra, mangatsiaka, mamanala.

Dia nitamberina tao an-dohako ireo fivoriana tany aloha
Fikaonan-doha, seminera, isan-karazany, sesehena
Fotoam-bery fotsiny ireny, tsy hita akory hoe nampifoha
Tetikasa maro tsy tontosa satria dia be ny tia tena.

Zara fa misy ny fivoahana amina haino aman-jery
Ireo vitsy an’isa no mba heno ora maro isan’andro
Ny maro an’isa mba nankaiza, toa takona, sa miery?
Mba fanairana iny ny ahy, sanatria tsy adroadro.

Mahatalanjona fa ao anatin’ny fiteny Malagasy
Voambolana arabo no mibahana sy fampiasa maro
Koa nahoana ny silamo no toa vahiny, mangasihasy
Aleo tsorina ny marina, isika kamo mampatsiaro.

Variana mibizina ny mpitarika, na koa miady voninahitra
Ny vahoaka mpino maka ho azy, na lany andro mifanenjika
Tsy te hiray hina ka dia mihamarefo toa fen’antitra
Raha mitohy ny toa izao, tsy ho tafita fa ho rendrika.

Dia ho very maina avokoa ve, irony tantara fahiny?
Ny fijaliana, ny ra latsaka, fahoriana sesilany
Raha tsy hikolo ilay finoana ange isika ankehitiny
Ireo razantsika nampandova izany maty fahatany!

Habib Abou Nusraini
Faha sivin’ny Volana Moharamo
Taona Arivo Efajato Efapolo Amby
--------
Rohy:
614 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145