MIARA-MIRONA ! (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo ady mafy sy ireo ezaka;
ireo zioga mitambesatra;
Toa hadino avokoa;
Fa mandresy izao aloha.

Ireo efa nitofezaka;
ireo kivy sy ireo ketraka;
Taitra tampoka nifoha;
Tena mitrak’izao ny loha.

Dia mibitaka sy dedaka;
Ny asa saina rhetra niendaka;
Ravoravo ery ny fo;
Mahatsiaro sambatra tokoa.

Efa voarakitr’ho takelaka;
Fa hay isika manan’elatra;
Tantara tsy manam-paharoa;
Ny Malagasy mahavoa.

Sao dia tokony hapetraka;
Izay hitazoman’ity elatra;
Mba haharitra sy ho to;
Ity firaisan-kina moa.

Ny ady lahy efa mandreraka;
Ny fitondrana be tandrevaka;
Mba hajanona any ivoho;
Andao ho matotra kokoa.

Izay rehetra nah’be resaka;
Ireo fihantsiana sy ireo tefaka;
Mba hilaozan’ihany koa;
Hiara-mirona amin’ny soa.


Abou Nusrayni
30-Jona 2019
--------
Rohy:
586 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116