MIARENA NA DIA TARA… (AbouNusrayni)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fotoana efa lasa tsy azo averina intsony
Ny fahazazana nolalovana indray tsy miverina
Ny dingan’ny hatanorana mikoriana toy ny ony
Rhefa tapitra fetr’andro any am-pasana no aterina.

Raha ianao hialokaloka amin’ny resaka anjara
Hoe tsy maintsy ho tong’ihany ka tsy misy maha-maika
Ny akon’ny sadify anie maha ratsy sy maha tsara
Ny tamberin’ny natao koa misy mamy sy mafaitra.

Izay fiainana efa dila tsy hay atao hoe mba sintomy
Ny taonanao aza mitombo toy ireny diam-penina.
Na tsy dia nahafa-po, ianao tsy afaka hikomy
Ny manarina ny ho avy sisa asetrinao ny nenina.

Mbola be ny azo atao ka mifohaza na dia tara.
Tsy hitondra anao mankaiza ny toreo sy ny kaika
Izay tsy nahafaty anao ho vakisinin’ny ao afara.
Mba mihetsika amin’izay fa aza mijanon-ko bonaika.


Abou Nusrayni,
19/08/2019
--------
Rohy:
638 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106