MOSALAMANA, TENA MPANARAKA NY DIAN’I KRISTY … (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOSALAMANA, TENA MPANARAKA NY DIAN’I KRISTY …

Marina tokoa f’izay tsy manaraka an’i Jesôsy dia tena ho very
Tsy misy làlana mankany amin’ny Tompo raha tsy avy aminy irery
Aza soandriana anefa ianareo manarakefa, be tsianjery
Alalino tsara ny finoana ary aoka ny saina tsy ho tery

Tsy avy hanova ny lalàna aho hoy Jesôsy fa kosa hanamafy
Ny fandikanareo ny fadin’i Mosesy anefa toa miavosa sy efa gafy
Ny voarara rehetra hohanina, miliba, misotro tsy mihafihafy
Ny FAHALALAHANAREO efa MAMPAMOAFADY hatramin’ny FITAFY

Raha atao jery indray mitopy maso ny toetoetran’i Kristy
Dia ny mosalamana no hita fa manakaikikaiky azy ery
Tsy hoe finiavana hanarabiraby anareo akory sanatria
Fa tsy vitan’ny vava na fizahoana akory ity finoana ity

Isak’izay miteny i Jesosy dia FANDRIAMPAHALEMANA ANIE HO AMINAREO
Ny mosalamana ange tsy mifampiarahaba raha tsy toa izany koa ry zareo
Na nisaraka amina minitra monja aza na koa nifandao tena vao teo
Na mifankahita im-polo vetivety dia toa izany hatrany tsy mba leo

Raha ny fitafy, ny sakafo, ny fifadian-kanina, ny fomba fihinana
Ny fidiovana, ny fiankohofana, etsetra, betsaka ny azo dinihina
Na endrika ivelany, na anatiny, lisitra lava raha ho marihina
Koa aza mandray am-tendrony re fa alefaso lavitra ny fandalinana

Tsy nilaza marina tokoa va izy hoe, tena tsy maintsy handao
Satria raha tsy mandeha izy dia tsy ho avy ilay PARAKLETO vao
Ilay MPANANATRA tsy miteny afa-tsy izay henony (sofiny) aminao
Dia novainareo hoe fanahy masina io fa tsy mba arabo izao

Ny faminaniana anefa maromaro no efa mba nilaza
Fa ny masoandro hiposaka any PARANA, ilay faritra malaza
Dia tsy iza fa i BAKA, izay nametrahan’i Abrahama ilay Zaza
Ka avy amin’ny taranany no ipoiran’iLay SILO na dia nolavina aza.

Tsy mpaminany sandoka velively na mpamitaka no arahinay
Izay tsy mino an’i Jesôsy aza aminay dia mpikomy tsy mahay
Amin’ny fidinany avy any an-danitra dia olona maro tokoa no ho fay
Ireo mpiliba be fahalalahana ho tonga saina voalohany amin’izay


(Somary misy mirirotra kely ny rima mba itazomana ilay votoatin’ny hafatra)

Abou Nusrayni
09 Jolay 2018
--------
Rohy:
573 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01