NAMETRAKA IZY… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOMMAGE EN MALAGASY A ADAM YACHINE, LE GRAND PIONNIER.


NAMETRAKA IZY…

Anisan’ireo zava-nahavariana sy nampiaiky ;
Ary koa manaporofo fitiava-nama-tena matotra.
Ny nandreseny lahatra tsy in-droa tsy indraiky;
Ireo namany karana mba hisokatra… , na dia sarotra.

Tsy moramora ny namaky làlana toa izany;
Ka nampahazo sehatra “imam” avy ivelany.
Maika moa fa toritenin’ny “Jomà” avy hatrany;
Izay tena mahasarotiny azy ireo ka tsy navelany?

Saingy izy no nahavita, namoha izay natory
Tsy reraka nivory, tsy nijery ora fodiana.
Herin-tsaina goavambe, lavitry ny sorisory;
No nahafahany nisedra ireo tsindry sy ny kiana.

Nijoroany hatraiza hatraiza, na nigaina na nanorana;
Nataony sarobidy ilay ady mba hampitambatra.
Ny filofosany nanampy, nampahery izay nitolona;
Dia maodely nampiseho f’izay miaraka no sambatra.

Na dia tsy fantatry ny maro, ireo ady izay natrehany;
Nahafahany nampahomby ireo fanamby nolalaina.
Tsy ho lavitry ny tsiaro, ireo lahasa izay napetrany;
Fa ho leson-ko lovaina ary misy ho tantaraina.

Habib Abou Nusrayini,
Isan’ireo mpitolona mpanampiny.
Faha Folo Dimy Amby Volana Rabiolaoaly
Taona Arivo sy Efajato Efapolo Amby
--------
Rohy:
532 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099