NY TOMANIN’ NY LANITRA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TOMANIN’ NY LANITRA…
Tonga indray ary ity - ilay ranomaso avy any an-danitra,
Nandraindraina efa ela - mba hamelombelon’aina
Mitondra rano iria-mahaory - atahora-mahafinaritra
Mampanahy sao ho be loatra - nefa tena mba ilaina.

Endrey ny tavan’ity lanitra - manjombona tomany;
Mandrotsa-dranon’orana - mamonto ny tontolo.
Moa mizara hatsiatsiaka - ho an’ny androany ihany.
Sa arahina kobay - ka dia tsy maintsy ho voa daholo?

Ny fahaizan’olombelona - tsy oviana hahatakatra,
Ka haminany ny fonosin’ - ito lanitra migodona.
Tsy misy na iray - afa-mitompo teny fatratra,
Ka ny itsaharan’io haingan’ - ivavaha-mahadodona.

Ry Tomponay Tsitoha - Mpanome no sady Mpaka;
Mba teneno re ny lanitra - tsy hitomany ela
Raha tafahoatra ny figogony - hisy be ny tsy hah’zaka;
Ampionony faingan’izy - sao izahay no ho tavela.

Vao mitrerona ny kotrok’ - izahay efa miforitra,
Mitamberina ao an-tsaina - fa ny tenanay malemy.
Ny fitselatry ny andro - d’efa ampy hampihoron-koditra,
Mba atsaharo amin’izay re - fa ianao ho enoinay teny.

Fantratry ny fo - f’izy ao ambony ao mahay fatra.
Mitsinjar’izay sahaza - ho an’ny velon’eto an-tany.
Tsy hadino koa anefa - fa ny loza raha mihatra.
Dia satria ny olombelona - be saina sy vinany.

Mamela ny helokay - f’izahay na mafy loha
Na sarotra atoro - sy manao mody marenina.
Tsy manan-kitsoahana - fa andeh’ mba ho aiza moa;
Anao anie ‘zahay - ka rehefa antsoinao dia miverina.

Zoky Habib IDY Abou Nusrayni
14_11_19
--------
Rohy:
855 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147