POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA…

1.Tiako ianao ka de tsy mba vangiako
Na dia manina aza aho ihafiako
Ny fahasalamanao tsin’na no iriako
Ny fihavanana akory tsy ho ariako.

2.Fa ankehitriny lasa mari-pitiavana.
Ny tsy mba mitsiditsidika ny havana.
Tsy azo atao akory na ny hifampitazana
Ny mivoaky ny trano ary izao efa mazana.

3.Ka soava tsarà fa izaho tsy hankany.
Ataovo mahafaly fa tsy hampitomany
Fitsinjovana anao no mandrara ahy tsy ho any
Porofom-pitiavana tsy misy hoatr’izany.

4.Kanefa raha voa eo ny iray amintsika
Ka marary mafy, aza atao mampivika.
Tsy afaka intsony ny hoe hifankahita
Fa dia tapitra hatreo ary dia samy vita.

5.Tsy hoe tsy tena tia ka mahita foronina.
Fa ny velona ihany hono hoe no hotronina.
Raha toa ka voatendry ny hisara-monina.
Efa anjara ratsy tsy nokonokononina

6.Raha toa tahiany ka iny fa sitrana.
De arahaba soa nitsikian’ny vintana.
Asakasakao raha mbola hamitrana.
Ilay fihavanana nahantona toa kintana.

7.Fa ny fitiavako no nahatonga ahy nisitaka.
Fitsinjovako anao fa tsy hoe akory fitaka.
Ka aoka tsy hataonao hampiady saritaka.
Fa porofom-pitiavana tokony hampibitaka.

(Tsy tantarako io an ! Mba fanahy niainga fotsiny)

Abou Nusrayni
30_03_20
--------
Rohy:
1597 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105