SOA FAGNAHY... - AbouNusrayni
Azo vakiana?
IZAHO RO SOA FAGNAHY!
1.Ianareo tapaka sy namana,
Ilay mpifankahita iny,
Ela tsy nidona tanana
Aoka re tsy ho tsiny
2.Tsy hoe akory efa tafita
Ka hanadino ny sakaiza.
Miady mafy ka tsy hita.
Efa maro koa ny taiza.
3.Aza de lazaina miavona
Raha hoe tsy rere feo.
Ny fijery mila aravona.
Fa sao mibirioka eo
4.Ny fihavanana tsy ho very
Ny fisaina n’ tsy mitovy.
Izaho akory tsy miery
Fa maka sisiny… tsarovy.
5.Tsy izaho no hanadino
Izany hoe lakana nitana,
Ny trangan-javatra hamarino
Misy tantana nova’na.
6.Fa na izany na tsy izany.
Sao ianareo no efa tafa.
Izaho koa lasa vinany;
Ianareo no mihafahafa…
7.Sao dia tokony ho arindra
Ny amin’ny fifamangiana
Ny ahy no betsaka indrindra.
Nef’ianareo no manakiana.
8. Mba ataovo fanisana,
Izaho no tena soa fanahy.
Ianareo izao no igagana.
Zara raha nitsidika ahy.
Abou Nusrayni,
Soa fagnahy.
20_03_20
Mombamomba
Mpanoratra : AbouNusrayni

Nampiditra : AbouNusrayni
Daty : 20/03/2020
Mpamangy : 755
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
DERA BIKA (tabarrouj)Varilavo Alahady…
AZA AVELA HO VERY FOANA…
Le véritable sens du Ramadan
TSY MILA ANTRA I AFRIKA
TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO!
MIJANONA AO AN-TRANO
POROFOM-PITIAVANA TOKONY HAMPIBITAKA…
NY LAFY TSARANY…
KODITRA19