TAFANAMBADY DAHOLO… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAFANAMBADY DAHOLO…

1.Raha sarihiko ny tanako - hamela dia-penina,
Ho an’ny mpiara-monina - sy ‘nareo havako
Tsy noho ‘nareo irery - f’ izah’ mety hanenina,
Rah’ tsy mah’vit’ adidy - k’efaiko ny anjarako.

2.Te hivoatra ianareo - ary dia mimpenimpenina,
Manaonao foana - raha n’ maro efa tazako.
‘Nareo moa “izany m’hitsy” - ka na tsy azo tenenina,
Tsy hikipy akory aho - na hanarona ny tavako.

3.Drindrangilo ny anatra - r’hefa averimberina,
Ka mba kalokaloiko - ny ahy ny filazako.
Tsy ny hadalanareo - ‘nge n’ tiana taterina,
Fa mba mety hahasoa - ‘reto teny fafazako.

4.Ny baombao mamy foana - na adera na afenina,
Fa ts’hisy tia tsy mifono - rah’ireo olom-pantako.
Ny fanatontoloana - aza atao maha-domelina,
Manajà ten’ ihany - bavy kely malalako.

5.Mba atoro ange nareo - fa tsy hoe ho fehezina,
‘Ze mandeh mafy ihany - no ho potraka sy voa.
Henoy ihany ho ah’ - f’aza de be marenina,
Tsy aleo ve maontimaotina - de mba mioty ny soa.

6.Izay tsy nety efa vita - dia azo leferina;
Na tsy ho lafatra aza - fa ts’ hikitoatoa.
Ny ho avinareo - no aleo mba atrehina,
Izay indrindra izao - no mampiasa ny loha.

7.Fanavaozam-pamindra - no andao re heverina,
Dieny mbola tsy voadona - na voaratra ny fo.
Tena zava-dehibe - matoa antitranterina,
R’hefa taf’ianareo, - ‘z’hay faly ihany koa.

8.Ka ny tiana hambara - ary koa ketrehina,
Ny fitafy manaitaitra - ajanony any moa.
Ny fijefifefena - mba ten’ ho taperina,
Efa voa-janahary, - ‘nareo manja avokoa.

Raha ny faniriako - ary tiako ho ventesina
Ho an’ny mpiara-monina - sy ‘nareo havako
Tafanambady daholo, - izay no tiak’ ho renesina
Fa mba nitandrin-tena - ka samy nioty ny soa.


Am-pitiavana be
Abou Nusrayni
10&11_11_19
--------
Rohy:
617 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104