TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO! (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRANO ATSIMO SY AVARATRA, IZAY NOANA FAHANO!

1.Ny hazo no vanon-ko lakana anie,
Ka ny tany naniriany no tsara!
Raha mivoaka ny olo-mibosesika be,
Ny fanabeazanareo no efa tara.!

2.Ny antso avo atao amin’ny tolo-tanana
Mbola betsaka no tsy maheno.
Na tele na radio mbola be ny tsy manana
Mba lazao ny any ambony… teneno!

3.Ataovo lesona koa ho an’ny manan-katao,
Nanangom-batsy efa ho amin’ny taoniny.
F’ireo mahantra rehetra izay mivangabao
Tsy afa-miala amin’izato fanaony

4.Raha toa ianareo manko tsy dia jambena,
Ka mba nizara izato harena
Izy ireo tsy adala ka hamono tena
Fa mba ho isan’ny azo fefena.

5.Aza gaga ianareo izay mihiboka mafy
Rah’ tsy miraharaha ireo izay tsy manana
Ny ankamaroan’ireo izay tsy tany an-dafy.
Ny atao hoe mihinana dia ny fivoahana.

6.Izy ireo raha ny marina tsy be mokon-doha.
Tsy lai-tenenina hihiboka izany.
Fa efa ela nijaliana tsy nahita soa,
Tena difotry ny fahantrany.

7.Mba hahomby tokoa ny fihibohana an-trano,
Mizarà ianareo na dia vary sy rano.
Ireo tsy dia afaka, ampio sy tohano.
Trano atsimo sy avaratra, izay noana fahano.

Abou Nusrayni,
04_01_20
--------
Rohy:
950 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117