Varilavo Alahady… (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Varilavo Alahady…

1.Raha alinalina fodiana ao indray Alahady,
Ka nitady voan-dalana mba ho entina any an-trano.
Dia tena tsapako mitobak’ireo mpamoaka ny fady.
Mifanaretsaka izay tsy izy ny mpivarotra sy mamo.

2.Alahady noheveriko ho andro masina hatrizay,
Mba hampipirin’ireo lavo sy ireo trotraka am-panahy;
No efa indro ilibana sy imamoana fehizay.
Anamparana hadalàna tsy mba misy ahiahy.

3.Dia nitamberina ato an-tsaiko fa ho avy ny andro iray,
Habosesika ny olona ho avarina any an-davaka;
Dia ilay toerana mirehitra ijaliana mahamay,
Hamatraran’ireo mafy fo tsy mety mba hivavaka.

4.Nifararemotra ny foko raha nijery azy ireo.
Na ilay tsena nijoroako toa tsy andriko nialàna;
Fa badenina ny lohako ary toy ny nahare feo,
Hoe toy izao no mety hanjo r’hefa baboin’ny filàna.

5.Vakiana fotsiny ny haromotana mandrakotr’azy ireny.
Mitabataba tahaky ny inona manala ny ao am-pony;
Toy ny hoe miady be fa tsy mifankare teny;
Manao izay farahery nefa tsy mba mety ho tony.

6.Izay babon’I Satana amin’ny fitaoman-dratsy,
Tena sarora tafarina na dia hoe te hiala tao.
Mahonena ny fanahy tsy mba manana izay vatsy,
Afa-tsy ny fimamoana, fahotana lava izao.

7.Ianao izay voatahy ka mbol’ hita miaina tsara,
Misitra-pahasoavana tsy mba mivarilavo;
Raha mbola velon’aina sy mbola mahazo anjara,
Ny finoanao tazomy aza mba avela ho mavo.


Abou Nusrayni,
06_12_20
--------
Rohy:
789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146