Ho an'i Madagasikara (Adel RAKOTOMALALA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'i Madagasikara,

Ranomaso ivozoana
Tsetran'ny alin-tsy atoriana
Rodorodom-pahakiviana
Fa nilaozan-tany tena tiana

'Dray 'zany atiko mangina
Fa izay tonga eo dia mitoraka,
Amim-bato mihavosa
Sy taona maro feno trosa

Ho an'i Madagasikara,

Sentosenton'olo-manina
Mitia anaty ka mangina
Tsy nampianarina hikotaba
Na hanan-toetra mody jamba

Ho anao ry taniko lalaiko
Ny ambom-poko ho enti-miady
Ka ny fanahiko,ny saiko
No hataoko ampinga sy angady

Hivavaka aho ho anao
Ny mba hiverenanao indray
Amin'ireo 'zay bikanao
Nahasiraka hatrizay
Dia ho firenena tena miavaka
Mitaha ny hafa ho lasa trotraka
Ny tenanao ho feno ravaka
Volamena,vatosoa,sy ny hafa toy ny sokatra

Farany,fongory tao 'reo olon-dratsy
Mitondra anao anaty haizina
'Reo mpanararaotra galy fantsy
'Reo mpanambaka tsy azo faizina

Adel RAKOTOMALALA,Ambatomena-Fianarantsoa,22/06/22
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
453 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Adel RAKOTOMALALA
Nampiditra : Adel RAKOTOMALALA
Daty : 30/06/2022 05:37
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145