You are here: home > Vetso

Fitiavan'i Neny - AHY

Azo vakiana?

Raha sanatria ka manorisory
Na tafahoatra izay lazaiko,anesory
Raha misy diso,ahitsio fa hovaina
Ny fitiavan'ny Neny no tiako lazaina

Azo sary an-tsaina sy tsarotsaroana
Ny tsiro sy hakanton' izany fotoana
Ankafizana torimaso eo ampofoana
Izay milamina sy mamy fa i Neny no anoloana

Vitan'i Mama ange zao ny namono e!
Fa tsy nataony izany,nosanatriaviny
Naterany aho dia nomeny nono
Silaky ny ainy ka dia notiaviny

Zanaka tiana ka kolokoloina
Tambatambazina,safosafoina
Babebabena sy trotrotrotroina
Dokadokafana,ampihaingoina

Sasana,fahanana,ampisotroina
Karakaraina raha marary;tsaboina
Raha lena na maloto ny lambako soloina
Fono_ponosina,ampiakanjoina

Andriandrianina sy tompotompoina
Indraindray voasazy,voakapoka,tsongoina
Tsy te hanan_dratsy izy f'aza disoina
Na vatana na saina samy nampitomboina

I Neny?,
Tanin_jana_kazon_tserasera ka
Namoizany ny ainy tanteraka
Tsy nahalala kivy sy reraka
Ny fitiavan'ny Reny niteraka

Nanoro ahy ny marina
Nananatra tsy arina
Ka na soratra na sary na
Kajy;nampianarina

Irakirahina,kianina,baikoina
Raha mangataka trondro ,harato no omeny
Ny fitiavany anao no tiany porofoina
Izany s'izany ny fitiavan'i Neny

Hoy indrindra izy tamin'ireny
Sy ny anatra nomeny
Hoe ny fahadiovam_pitondran_tena
Ombam_pahendrena

no atao hoe harena
Fa sao ianao jambena
Ndeh ho tia tena

Aleo miorena
Amin'ny fahalemena
Izay efa nekena
Ho toetry ny tena

Izao no hevero
Sy mba saintsaino
Ary hantitrantero
Amin'izay hafa mihaino


Na mamiratra sy mamim-bahoaka
Ambinina sy to teny
Tsy taman_kazo ianao no nivoaka
Fa zanaka mamin'I Neny

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha