Tsiahy sisa no hatsiarova (Aiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiahy sisa no hatsiarovako anao
Embona sisa no hitambarako aminao
Akaiky ianao fa lavitrin'ny foko
Rava ny faniriko foana ny finoako

Eny any ianao tsy mahalala ny zakaiko
Tsy hare akory ny hiaky ny aiko
Aiko izay namelovelo fa mbola tena tia
Nefa kosa natahotra sao ho very dia

Any ianao ry tiana angamba efa nety nanadino
Raha diso eritreritro tongava hamarino
Fa tsy zaka ity mangidy tsakon'ny ao am-po
Mavesatra ity zoga, izay zoga olon'droa

Efa afirina no nitiavako anao
Ka nefa tsy notiavinao akory zah izay nitalao
Nitalao aho satria tena tia tokoa
Fitia tsy rendarenda fa tena avy ho am-po

Eny any ianao asa mety sambatra
Izaho aty toa ory satria ianao miangatra
Tsy nizara akory mpiti'kafo mpifaliana
Fa namafy kosa ny vongam-pijaliana

Any ianao izay tsy mahatsiaro ireo fotoana
Fotoana sarobidy izay ho ahy tsy ho foana
Aminao angamba efa lasa lavenina
Lasa ny rivotra ka tsy misy ho tenenina

Eny any ianao izay tsy matahotra akory ny todim-pitia
Angamba mbola mihevi-tena ho be mpankafy
Ka manohy sy mijoro amin'evitrao iany
Kanefa any andro iray hijaly ianao ka hitomany.
Jenahhilary
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1655 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aiko
Nampiditra : jenahhilary
Daty : 10/09/2015 15:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092