You are here: home > Vetso

Aimee Rolland ANDRIAMASINAVALONA

RY TONONKALOKO


Ry tonokalo izay soratako
meteza ange ianao
Hitanisako ireo lasako
Sy ireo niainako anatiko ao

Hovetsoako alahelo
hibitahako hafaliana
Hizarako tsiambaratelo
Ho solon-tiana


Fa aoka kosa re
Mba tsy natao handrangitana
Na hilazana rehareha.
Na ireo lainga sy fitaka

Sanatriavo mihitsy
Ny tsikera ireo tsy mety
Aza mety hifihify
Raha ireo no mihoam-pefy

Fa ianao tsy mba toetra
Fa ny vetson'ny foko
Ka hanao amboletra
Izay hita hoe efa loto

Hevitra mandeha

fitiavana (02/12/2013 21:33:27)

Tena marina izany !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Nampiditra : Bangotokana
Daty : 19/01/2013
Mpamangy : 1772
Mankafy : 1
Efa ankafizinao Esory

Tononkalo hafa

Hampiditra tononkalo