Ho anao - Aina-kely
Azo vakiana?
Ity ny soratanako raiso ka fihino
Ity ny tarigetrako ka aza manadino
Raha hande any ianao ry tiako
Aza hadino ny fisiko , fa ny foko tena tia
Fa tsy vazivazy sanatria .
Raha ny fitiavako anao
Tsy omby an'izao tontolo izao
Tsy misy mahasolo anao izany
Raha mbola eto an-tany
Nefa tsisy azoko atao
Afatsy ny manao veloma anao
Ka raha lasa any ianao
Dia mba mengavy mitalao , Aza adino reha izao
Izay ary no mba teniko
Fa hapetrako ny peniko
Teny kely sisa averiko
Tena tiako enao fa tsiafeniko
《Aina-kely》
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Aina-kely
Nampiditra : Aina_kelyDaty : 12/04/2020
Mpamangy : 635
Mankafy : 1