ANKASON'NY TANY - Aina Nirina
Azo vakiana?
ANKASON’NY TANY
(noho ny nahalasanan’i RAKOTOMALALA Felicien
Kopi Kole Théo Rakotovao)
Nahery loatra androany,
Ny setrasetram-piainana tsy maintsy nozakaina,
Nihalo ny tomany,
Fa tena mafy loatra sy nihatra aman’aina :
Tototry ny tany
Ny nofo vao tanora mba nankafizinay,
Dia tsy maintsy izany
Ve ny ankasonao ry tany ka nampangaihay ?
Tanora vao misandratra,
Mba tena be mpitia nefa sahinao nalaina,
Mba nahatsiaro sambatra…
Tanora mpanakanto mba tena nantenaina,
Nefa dia indrisy,
Ny ankasonao ry tany iray minitra monja
Tsy nampino mihitsy,
Ilay vatana tanora nalentiky ny onja…
Nahoana ?.....
Fa nahoana ?......
AINA NIRINA
(17 janoary 2015 tamin’ny 21 :34)
Mombamomba
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 23/01/2015
Mpamangy : 1125
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VAVAK'ILAY TIANISY
ANTSOIKO
DISO FANANTENA
RAVA TRANO
OROKA
TSY TIANY HONO AHO
DISO VE?
FENO ANAO NY NOFIKO
ILAY ANJELIKELIKO