ANTSOIKO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSOIKO

Rehefa injay mamolivoly toa manempotra, tsaroako
Ilay rivo-pahatsiarovana,
Ka manomboka mihalo sy marevadreva-doko
Ireny lala-nolalovana
Dia mipololotra mora avy any anatiko any
Ilay sento avy any am-poko
Ka ny hany fanafody mba tsy hampisy ny tomany
Dia ny anaranao no antsoiko…

Rehefa ilay mivalo-mainty sy manakona ny volana
Ny rahona matevim-be…
Na ilay tsy misy elo ao anaty kijan’orana
Ka tsy hita izay aleha…
Mila hiraviravy tanana fa atosiky ny riaka
Ary dia miferin’aina…
Hanangonako ny heriko dia ilay fitiavantsika
No antsoiko ho ao an-tsaina…

Rehefa ilay madiva hatory ka manomboka misoko
Ny olana sy ny adin-tsaina,
Hanoherako izany dia ny anaranao no antsoiko
Mba hamelombelon’aina,
Sy handravaka ny aliko mba hitondra nofy mamy
Ka isika hiara-dia :
Fa ianao no hany tiako hiaraka amiko ho any
Am-paradisan’ny fitia…

AINA NIRINA
(02 febroary 2015 tamin’ny 23 :10)
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Fitiavana
1439 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 15/04/2015 08:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101