DISO FANANTENA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO FANANTENA

Ny foko nanantena ny ho eo anilanao :
Nangasihasy teto fa tsy tonga akory ianao,
Kanefa raha ny nofy efa voafaritra,
Ny ho fiarahantsika dia tena hahafinaritra…

Eny an-drova eny no hiaraka hitosy,
Dia hiara-haka sary sy hifandrotsirotsy,
Avy eo hifampitarika eny anivon’ny natiora,
Any anaty ala any no hiaraka hidola…

Avy eo dia hisononoka eny ambony fiara,
Hitety an’Iarivo sy hiara-hisary adala,
Hisangy, hifampîtsiky, sady hifanolotra
Ny kanto sy ny mamy avy eny i-molotra…

Rehefa leon’ny setroka, ny arabe, ny trano…
Dia hitsangatsangana eny amoron-drano,
Hifoka rivotra madio sy hifanolotra fitia,
Eo ambony tora-pasika no hamarana ny dia…

Izany rehetra izany dia tena nofy mamy,
Oviana no ho TO, sa ho nofy ihany ?
Izaho mba nanantena sy tsy tafandry mandry…
Mbola hiandry foana , satria ny TIA MAHANDRY !

AINA NIRINA
(02 aprily 2015 tamin’ny 22 :53)
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana - Fitiavana
1593 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 15/04/2015 08:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106