DISO VE? - Aina Nirina
Azo vakiana?
DISO VE ?
Diso ve ny tia
Raha diso fiantefa
Ny fo te-hifangia ?
Diso angamba… nefa…
Tsy fidiny anao
Ny ho kanto toy izao…
Tsy fidiny amin’ny foko
Ny hitia antsokosoko
Ny efa manan-tompo…
Fa satriko mba haka
Ny mbola tsisy faka,
Sy mbola tsy voafatotra
Kanefa tena matotra…
Nefa dia indrisy,
Izao ny zava-misy…
Ianao no tiako,
Sy hany faniriako :
Fitia tena lalina,
Kanefa angalarina !
Diso ve ny foko,
Ka tokony hiova loko ?
Diso ve ianao
Mitia ahy toy izao ?
Diso isika angamba,
Kanefa efa jamba…
Ka na hoe mania,
Tia ka dia minia
Ny mangala-dia
Fa MAHERY NY FITIA…
AINA NIRINA
(09 septambra 2014 tamin’ny 00:40)
(Boky Sombin’i Aina 1 pejy faha-47)
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 17/03/2015
Mpamangy : 2760
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VAVAK'ILAY TIANISY
ANTSOIKO
DISO FANANTENA
RAVA TRANO
OROKA
TSY TIANY HONO AHO
FENO ANAO NY NOFIKO
ILAY ANJELIKELIKO
ANOKA FITIA