TSY HAIKO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAIKO

Tsy haiko ny hamafa ny endrikao ato an-tsaiko,
Mihalo foana eo imasoko ny salovanao ry Aiko,
Ny tsiky teny imolotrao isaky ny eo anilako,
Mbola tena tiako foana ka mandravaka ny hirako…

Tsy haiko ny hanadino ny vitantsika hatrizay,
Mbola satriko hiverenana hiainana indray…
Tamintsika mbola niaina ny fitia safononoka :
Ny angola sy ny sangy, fihina sy orokoroka…

Tsy haiko ny hanapotika ny tandindona sy diary,
Ny soratra nifanolorana, ny hirantsika sy ny sary…
Hataoko tsara pirina mba hitoetra ato am-po,
Hokoloiko isan’andro ilay fitiavantsika roa…

AINA NIRINA
(05 janoary 2015 tamin’ny 22 :12)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1171 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 07/01/2015 10:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143