You are here: home > Vetso

HORONANTSARY MASINA - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

HORONANTSARY MASINA

Firy no efa ketraka dia firy no mijaly
Miafy sady miaritra alahelo mifamaho?
Kanefa tsy mahalala hoe...

Mpandray anjara fototra ao anaty horonantsary
Voasoratr'Andriamanitra izao isika rehetra izao;
"Mpilalao tantara"!

Izy no mpiandraikitra ny lafy tekinika,
Mpandrindra an-kapobeny ny fihetsika hatao
Rehefa anaty raki-tsary.

Ray mpanatontosa izay ho trangam-piainantsika.
Ny hany anjara andraikitra takiana avy aminao:
"Milalaova fotsiny ihany"!

Ainampaniry Anjara Nivo