You are here: home > Vetso

MARARY NY AINA - Ainampaniry AnjaraNivo

Azo vakiana?

MARARY NY AINA

Tsy misy ny azo hambara ankoatra ny hoe "marary ny aina".
Namana hatrizay ianao fa kosa nandrandraina sy niriana ho olon-tiana.
Dia izaho manomboka eto "tsy maintsy hitia mangina" fa voafefy ny fonao.

Mazava loatra izao hoe tsy misy intsony irika mba azoko hisisihana,
Ny fonao koa tsy seza ka hoe afa-nofandrihana tsy ho lasan'olon-kafa.
Ny sisa azo hatao angaha dia miezaka mamafa ilay fitia tsy nolazaina?
Tsy misy ny azo hambara ankoatra ny hoe "marary ny aina".

Tsy diso velively ianao f'izaho no tara loatra
Tsy mba nanararaotra ny fotoana finamanana hilazàna ny ao am-po.
Ka tsofin-drano ianao hahazo tokantrano soa, tsy arahan-disadisa.

Aleoko izaho no handefitra raha izay no tsy ahapotika ny finamanantsika.

AnjaraNivo