You are here: home > Vetso

MATAHOTRA - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

MATAHOTRA

Ry dada sy ry neny ato efa vaky vava lava:
Ity zanakay ity reto tena maty fo angamba a
Ireo iray kibo taminy efa lasa nanambady
Tsy nisy iray tavela na ny zoky na zandriny
Fa izy mba ahoana?
Hafahafa ihany raha dia tokan-tena foana.

Efa manakaiky mantsy izao ny fahalebiazana
Kanefa na indray aza tsy nisy nahatazana
Izay mety ho sakaizako
Tsy hadalàko izany fa porofon'ny fahaizako
Mandanjalanja toetra
"Tsy akory faka vady izay vehivavy hita rehetra"

Fa misy ireny poizina
Aleo aloha tsy miroboka sao ho sendra izay tsy hampoizina
Rehefa ao antokantrano
Rano be fanonja ny ao, mety hahitàna angano.
Ny tena anefa ity tsy mbola nianatra lomano
tamin'iny sehatra iny,
Matahotra ho voafitaka aho ka aza omena tsiny e.

Ny atao hoe manambady mantsy rehefa vinaniana
Dia ranomaso lava ny atsasaka manilany,
Mila fahavononana amin'ny adin-tsaina hiatra.
Aleo aloha tsy miroboka raha ohatra tsy ahazaka!
  

Ainampaniry Anjara Nivo