''NDEHANA (AnjaraNivo)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'NDEHANA

Raha zaza tsy hanaja ny reny,
'Ndehana hotinaizan'ny ditra;
Ka raha tsy voadona amin'ireny
Dia manàna taranaka hahita.

Raha olon-tsy hanaja ny teny,
Hamono no sady handika;
Havondrony ny entana kely dia
'Ndehana mifindra any ampita.

Raha fisainana sarotra havily
Sy hizotra amin'ny fahadalàna,
'Ndehana mizaka hirifiry
Ao antsahan'ny faharavàna.

Raha ny ditra no ho be hankadiry
Sy hihoatra ny fefy, tahala;
'Ndehana tapaho tsy hitsiry
Sao hirongatra ho tonga ala.

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - fiainana
515 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 22/05/2021 18:47
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015