You are here: home > Vetso

NISARAKA IANAREO - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

NISARAKA IANAREO

Nisaraka ianareo?
Aza malahelo fa ny ratra mora sitrana!
Dia aza miady vintana fa ny olona nanary:
"tsy anjara" izay no anarany.
Indro omeko anao ny fanafodim-po marary,
Ho fanefitry ny voady toky fitaka nararany.
Ampiharo fa mandaitra!
Ampiharo dia aza taitra fa hahery ianao avy eo.

Nisaraka ianareo, kanefa ataovy antsaina fa raha ny olona mitia amin'ny fony manontolo:
Tsy mahavita manolo ny olon-tiana am-pelatanany.
Dia mbola averiko fa "tsy anjara" izay no anarany rehefa izay no vitany
Tsy mbola tena sitrany ny momba anao rehetra,
Tsy tena avy any am-pony ilay hoe "fasana no fetra".

Nisaraka ianareo 'nefa manomboka andro anio,
Ataovy foto-kevitra ijoroana, tadidio fa...
ny fitiavana rehetra dia faranam-pisarahana
Na efa an-taona maro na ilay vao nitsaika omaly,
Ny fitiavana rehetra misy fetra fahatapahana
raha mbola eto an-tany.
Raiso ho tombotsoa ny hoe vao tanora dia voafitaka
Fa mbola afa-misitraka fitiavana amam-polony
raha tena izay no lalana hamantarana ny anjara
Mbola afa-manoratra karazana tantara ianao fa aza mora kivy.

Dia aza mbola ahidy ilay fitia miredareda miorim-paka anatinao
Satria ny marina dia izao:
Raha ny fo maratra mbola ho sitrana eny ihany
Mitiava olon-kafa fa ny tsara koa tsy lany.
Ary raha fiainam-pitiavana no tiana hotsaboina na koa tiana hovonjena:
Dia mandaitra kokoa ny manao dokotera tena"!
Ka etsy mahereza!

Ainampaniry Anjara Nivo