You are here: home > Vetso

NY AHY NY TONONKALO - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

NY  AHY  NY  TONONKALO

Ny ahy ny tononkalo no fintana hanjonoako
ny fonareo vehivavy,
Ny ahy ny tononkalo no basy hoenti-miady
amin'ny resaka fitia
Ny ahy ny tononkalo no handreseko lahatra
an'izay mamaly "tsia"
noho ny fitoriam-pitiavako
Ny ahy ny tononkalo no sehatra hitadiavako
izay ho andefomandriko,

Io no solon-tsandriko
amin'ny adin-drafilahy.
Mantsy tsy totohondry fa ny fo amam-panahy
no ivoahana ho mpandresy amin'iny sehatra iny
Ny ahy ny tononkalo no porofo mankadiry
manambara ny ato am-poko
Ny ahy ny tononkalo hoy aho no fintana hanjonoako
ny fonareo vehivavy.
Amiko ny tononkalo: "fitadiavam-bady"!
Fa hatreto tsy nandaitra!


Ainampaniry Anjara Nivo