You are here: home > Vetso

S A M P I K O - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

S A M P I K O

Fa  sampiko  ireo  dia  tompoiko,
Andrianiko  ambonin'ny  aiko,
Hanariako  ny  zava-tsy  foiko,
Handaniko  izay  ambiroan-tsaiko.

Hamasiniko  hatramin'ny  farany,
Hamoizako  ny   heriko  sisa:
Hamelomako  indray  ny  tantarany
Novoina,  nalevon-tsy  ho  hita.

Ho  lovain'izay  fatra-pandàla
Sy  mahatsapa  ny  hasarobidiny
Hanovozany  fahalalàna  sy...
Hodimbasan'ny  fara-mandimbiny.

Hadorehitro  ho  loko  tsy  maty
Na  ho  takon'ny  loko  mahery
Fa  hijoro,  handresy,  hahatanty
Ireny  loko mpamono  azy  ireny.

Fa  sampiko  ireo,  sady  masina.
Hizakàko ny mihatra aman'aina.
Zava-masina  roa  voafantina:
Dia  ny  teny  sy  fomba  lalaina.


Ainampaniry  Anjara  Nivo

Sokajy : Fomba, teny

Mombamomba

Mpanoratra : Ainampaniry Anjara Nivo


Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 11/04/2021
Mpamangy : 73
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

SEDRAO
ENY RY ZOKY
ANDRY MANIFY
IZAHO TSY IZA AKORY
F A N I L O
ABORAHO
HONO
ZAVA-MAHERY