Voafitaka? Tsy mendrika h - Ainampaniry AnjaraNivo
Azo vakiana?
Voafitaka?
Tsy mendrika ho antsika olombelona io teny io
Fa matoa ianao voadaka dia nahatoky tafahoatra.
Dia ataovy antsaina foana, manomboka andro anio
fa matoa voahitsa-bady dia nandefitra be loatra.
Izany anefa akory tsy helokao f'aza manahy,
Aza omena tsiny ny fonao raha toa maratra.
Fa eto manan-trosa izay mahavita sy mahasahy
Manitsaka olon-tiana amin'ny fitiavana olon-kafa.
Tsy adalàna mihitsy ny mametra-pisarahana
Raha toa mibaribary ny habibiana efa mianjady,
Fa manan-kery hisitraka ny zony izay nitsahana,
Sahia manapa-kevitra amin'ny fisaraham-bady!
Ekena fa mpanota izay minia tsy hamela heloka
Kanefa io tena ilaina raha tsy tiana ny ho faty antoka
Azavaiko tsotra raha tsy mbola azo veroka:
"Amin'ny tranga tahak'itòny, ny fitia mahafaty tampoka"!
Ainampaniry Anjara Nivo
Mombamomba
Mpanoratra : Ainampaniry AnjaraNivo

Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 27/09/2021
Mpamangy : 226
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FIFAMELÀNANy...
REHEFA TSY ANJARA
HAY NY FITIA
NY FO
MARARY NY AINA
MAHAIZA MAMAKY
NIOVA
SAINO KELY
NISARAKA IANAREO