hetahetan'ny fo! - ainga fitia
Azo vakiana?
misy fo maniry ho tiavina
saingy nolavin'ny tsy manina
vao mitempo dia nilavina
ka maratra sady fanina!
misy fo te hiara_dia
amin'ny olona mandalo,
te hiventso ny fitia
saingy indrisy toa nimalo!
misy fo te hiantsampy
antratran'olo_manan_tompo,
toa tanala very sampy e
hany hery miova loko!
ainga fitia.
Mombamomba
Mpanoratra : ainga fitia
Nampiditra : miangaly3Daty : 12/08/2018
Mpamangy : 961
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
miandry anao!iny hatsarany iny!
tsy mety ho fay!