VAKY TAMBERINA - Ainiasy Luciano
Azo vakiana?
VAKY TAMBERINA
Gaina tanteraka
Fa saokan’ny nahiny
Ka leo ny fanahiny
Toa madiva hitresaka
Efa vaky tamberina
Resin-tondro maso
Fa vavan’ny ankaso
Ka lela no foserina
Ny tany no nanody
Ny lanitra nanakora
Ity tena lafo mora
Ka tsara ny mody
Mamadika ny vintana
Sy miantso ireo kintana
14-12-10
Mombamomba
Mpanoratra : Ainiasy Luciano
Nampiditra : ainiasyDaty : 20/05/2012
Mpamangy : 1025
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TEO IHANY AHO...!OLOM-BERY