efa tsy anao hintsony (Aino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia lasa tokoa ny andro sy ny volana ary ny taona
Endre hifandao ny vary sy rano
Noho ny elanelan-tany izay naha kely finoana azy
Ka nanadinoniany ilay tiany sy tia azy fahiny

Fampirefesana ve? tsy aminko velively no anaovanao izany
Fa raha toa ianao tsy maharitra ny fiverenako any
Dia nde zory ny lalanao tanteraho izay sitrakao
Ny fitiavana anelanelan-tany koa hono toa ratsy fijoro
Ka na ezahana aza ny anohana azy mazana rava ihany

Fa aoka hoa ilay valifatim-pitia,
Fa tsy mba izaho no anaovanao an'izany ry cheri
Moa ve adalako ny nisaraka taminao?
mo tsy noho ny adalana vitanao ihany no nahatonga izao?

Ny ahy rehefa tia dia tia, fa aoka tsy hataonao kilalao izy ity.

Dia aza mba izaho no enarana gafigafiana
Fa za hipetraka rehefa ampirafina
Sa nenina no anaovanao ahy an'izany?!
Zao tokoa mantsy ianao vao tonga saina
rehefa tena maro laotra ny ratsy vitanao hatsizay

Ny any mba hafatro ry malala
Ndana zory ny lalanao ary aza be kafara
Aza miherika ahy sy ny tantara taloha hintsony
fa ny fitiavako efa sira latraka an-drano

Aza miverina mitalaho hintsony,
fa ny foko anie ry malala efa tsy anao hintsony
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fiononana
2576 0
Hevitra mandeha
winner ( 26/11/2008 16:26)
tena masiaka be ny mpanoratra izany an.
asa raha aingam-panahy fotsiny na tena zavatra iainana fa hentitra be. Efa mizotra any amin'ny lalan'ny poety ange ry aino izany e. Tohizo fa mahafinaritra. Misy hevitra mikoriana tsara sady tsapa ilay fihetseham-ponao teo am-panoratana. Ok
gasyjean ( 07/12/2008 15:03)
Mahery zany teny izany!
felandefona ( 06/07/2009 12:39)
tandremo fa indraindray anie mba solafaka ihany e... tadidio koa fa
loin des yeux loin du coeur
ce proverbe n'est pas menteur
et à cause de la distance
il a trouvé son indépendance
Aino ( 03/12/2010 08:57)
ka anefa koa lalam-piainana dol izany eee!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : Aino
Daty : 06/11/2008 20:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113