Nakaiza lahy - Aino
Azo vakiana?
Teo ampiandrasana anao izy
ny sabotsy maraina, niandry anao
niandry anao ela teo izy
niherika miankavia sy havanana
kanefa indrisy fa tsy tonga ianao
Niondrik'izy nijery ny lera
Efa mitatao vovonana ity ny andro
Ny hanoanana teo ihany, nefa dia niaretany
"raha izy no endrasako, dia andriko ny hafa"
tsy mbola rotitra fa mbola feno fanantenana
Ny paika indray ny 2 tolank-andro
Efa nanomboka nidobodobok'izany fo
Toa antoky ny herim-pahatsiarovany
lasa dia lasa ny sainy,"moa va adinonao sahady?"
Tsy vao homaly ve izy izay, ilay fotoana
Ka izay sahady dia tsy tsaroanao!?
Indro tovovavy iray mitantakolaka
Toa andro mirefy, ka namely adim-panahy
Niara very tamin'ny ny hariva
Toa niofo toa ali-maizim-pito
Vao iny izy nitrangana ary nitraka
Ary ery ilay volana nitrena ny alina
Nizaka ny rantsam-panalan'ny alina
Noho ny tonga teo ambaravaran'izy
Dia nierika fara sendra mba tazany ihany
Niditr'izy ary nakatony ny varavarana
Niverina teo ambaravaran-kely nefa izy
Nanompimaso farany sady nisento lalina.
Mombamomba
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : AinoDaty : 18/02/2008
Mpamangy : 1763
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ny fitiavako anaotiako nefa
efa tsy anao hintsony
Misaotra
tsy misy toa anao..
Tsiaro
Mandrakizay
maminko ianao
Ventsoko
Mifona aminao ry Ray