ny fitiavako anao - Aino
Azo vakiana?
Izao andro anio izao
No fotoana fohy anambarako aminao
Fa n’iza n’iza teto an-tany
Tsy mbola notiaviko tahaka anao izany
Malaelo ianao, izaho no mitomany
Manina ianao izao avy no marary
Ny manodidina ahy tsy hitako ankory
Fa ny endrikao no manaloka’ izany
Na lavitra ahy aza ianao
Ny foko tsy mitrahatra mitempo anao
Ny fitiavako anao aza vao mahy mitombo ihany
Toa mandaoka miletika any anatiko any.
Za aza mba manotany tena ihany
Fa nahoana re ny fitiavako anao
No dia mahery tahaka izany?
Ka mampalasa adala sy mampi-tomany.
Izaho malala tia tena tia,
Tsy Sangy ny ahy fa tena fitia
Ary efa lalimpaka ny fitiavako andry
Ka dia vonona aho ny hiaraka anao ho doria.
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha
carinamihary (26/03/2012 06:32:20)
Mombamomba
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : AinoDaty : 14/02/2009
Mpamangy : 5085
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
tiako nefaefa tsy anao hintsony
Misaotra
tsy misy toa anao..
Nakaiza lahy
Tsiaro
Mandrakizay
maminko ianao
Ventsoko
Mifona aminao ry Ray