--MANAMAFY-- - Ako-mandrotsy
Azo vakiana?
--MANAMAFY--
tsy hoe voan'ny toloko
na hoe solafaka ka manjoko
fa zao zaho vao mahalala
kay ny fitiavana mamanĂ la
toa tsapako ny hasambarana
satria ny efa ela tsy mba nifarana
ho mandra-maty ny tanjoko
ka tsy ho soloina toy ny ankanjoko
tsy mampatsiahy fa manamafy
za ho anao mandra-maty
hafoiko ho anao ny aiko
ho anao irery fa tsy ho zaraiko
efa nenao zatoisan-jato
ka ho kaloiko tsy ankianto
ianao ilay siako
tsy ho esoriko anilako
(R.A.A.Z.N)
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Ako-mandrotsy
Nampiditra : zurahrakotonanaharyDaty : 19/11/2018
Mpamangy : 570
Mankafy : 0