Ianao ilay mpiatsaravelatsihy - Aleo mitraka
Tsy ny fampiononana entinao akory
No hampitony ijato foko ory
Sao dia diso ianao
Tsy ny tsikim-piatsaram-belatsihy asehonao amiko
No hampamirapiratra ny handriko
Fa ny fihetsikao manao tsindrio fa lavo
An’ity fiainako efa malazo
Dia hery hanohizako ny lalako
Hikatsahako ny hasambarako
Na dia izany anefa
Dia mahaiza mamindra ihany
Fa malama maina ny tany
Sokajy :
fiainana
Hevitra mandeha
nambinelise (15/09/2017 04:21:03)
hanitriniaikojocia (18/09/2017 07:58:17)
Mombamomba
Mpanoratra : Aleo mitraka

Nampiditra : nambinelise
Daty : 15/09/2017
Mpamangy : 1437
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
IanaoNy fiainany
Avelao aho