mpanenjika (alfantomas)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vaka lahy ny saiko
nandinika ny zava-misy
ka niainga ny eritreritra
angamba ireny 'zany hoe mpanenjika
fa ny tenanao no ankahalainy
ny ataonao no tsikerainy
dia miasa mafy ny sainy
hoe inona indray no ho lazainy?
voa maika vaka ihany ny saiko
mandika ny ataony
fa ny fiainany tsy ahoany
ny an'ny hafa no idirany
mihevitr'izy angamba fa hahita rirany
dia miezaka izy ireo ny mitsikera
mandany fotoana, mandany lera
tsy mandinika izay mba vitany
nefa manaratsy ny an'ny hafa ho tsy misy dikany
ny sasany tsy menatra mihintsy
mamorona sy milaza zavatra tsy misy
mba anaratsiana
sy anarabiana
ny Ntaolo aza anefa dia nametraka mazava
fa ny mpanenjika dia any aoriana lava
--------
Rohy:
1565 1
Mpakafy: betsileolahy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : alfantomas
Nampiditra : betsileolahy
Daty : 14/12/2013 13:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139