RY FANADINOANA (alfantomas)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FANADINOANA

nahoana ry fanadinoana
raha mipetraka fa tsy levona koa
na nivalona nanaraka taona
fa mifikitraka mafy ao am-po?
nahoana? nahoana valio?
nahoana ity sakaiza no ampijaliana?
nahoana no dia hatramin' ny anio
nahoana no dia tsy ahitam-pifaliana?
sa ve izao no efa voalahatra?
fa rava sahady ny anay ny "ho doria"
raha izany dia tena miangatra
tsy ara-drariny ny fizaram-pitia
ry fanadinoana indrisy
fa tsy mety hitranga izany
angamba dia tena tsy hisy
raha tsy hofoana hatramin' ny tany
iriko anefa mba tsy hotonga mihitsy
fa raha tsy izany dia tsy hisy kinasa
iriko amin' ny fo mahitsy
ny tsy hahafoana izay rehetra lasa
na mangidy aza no aterany
na mandrotsaka lava izany tomany
ny alahelo no mba hany apetrany
dia izany no maha-tany ny tany

avelao haka toera-mangina ny fahatsiarovana
f'aza elingeleninao ry fanadinoana
fa raha ny foko no hoe hotorovana
izany kosa dia sarotra hinoana
--------
Rohy:
1237 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : alfantomas
Nampiditra : betsileolahy
Daty : 07/02/2014 22:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115